-
WORD Research this...Judges 20
- 1 Dia nivoaka ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa.
- 2 Ary ny loholona rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely niseho teo amin’ ny fiangonan’ ny olon’ Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
- 3 Ary ren’ ny taranak’ i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak’ Isiraely. Dia hoy ny Zanak’ Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
- 4 Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an’ ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
- 5 Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin’ ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
- 6 Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin’ ny tany rehetra izay lovan’ ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin’ ny Isiraely ireo.
- 7 Koa indreto ianareo Zanak’ Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
- 8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin’ ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
- 9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’ i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
- 10 Ary haka folo lahy isan-jato amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra isika, dia zato amin’ ny arivo, ary arivo amin’ ny iray alina, mba haka vatsy ho an’ ny olona, ka rehefa tonga any Gibean’ ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin’ ny Isiraely no hataony aminy.
- 11 Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
- 12 Ary ny firenen’ Isiraely dia naniraka olona tany amin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
- 13 Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak’ i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny.
- 14 Ary nivory ny taranak’ i Benjamina avy tamin’ ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely.
- 15 Dia voalamina tamin’ izany andro izany ny taranak’ i Benjamina avy tamin’ ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
- 16 Ary teo amin’ izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin’ ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
- 17 Ary ny lehilahy voalamina tamin’ ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
- 18 Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
- 19 Dia niainga maraina koa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tandrifin’ i Gibea.
- 20 Ary nivoaka ny lehilahy amin’ ny Isiraely hiady amin’ ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an’ i Gibea.
- 21 Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak’ i Benjamina ka naharingana ny Zanak’ Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany tamin’ izany andro izany.
- 22 Fa nifanome toky ny lehilahy amin’ ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin’ ilay nilaharany tamin’ ny andro voalohany.
- 23 Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
- 24 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nandroso tamin’ ny andro faharoa hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina.
- 25 Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin’ ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak’ Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
- 26 Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nifady hanina tamin’ izany andro izany mandra-paharivan’ ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah izy.
- 27 Dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely (fa tao ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany,
- 28 ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona, nijanona teo anoloany tamin’ izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
- 29 Ary nasian’ ny Isiraely otrika manodidina an’ i Gibea.
- 30 Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny andro fahatelo hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ka nilahatra tandrifin’ i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
- 31 Dia nivoaka ny taranak’ i Benjamina hiady tamin’ ny olona ka voatarika niala tamin’ ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin’ ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
- 32 Ary hoy ny taranak’ i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’ Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ ny tanàna ho any an-dalambe.
- 33 Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely nitsangana niala tamin’ ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin’ fitoerany, avy tao an-tsahan’ i Gibea.
- 34 Ary tonga tandrifin’ i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
- 35 Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan’ ny Isiraely, ary tamin’ izany andro izany ny taranak’ i Benjamina dia nahafatesan’ ny Zanak’ Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
- 36 Ary hitan’ ny taranak’ i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely nanao tari-dositra tamin’ ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin’ i Gibea izy.
- 37 Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin’ ny lelan-tsabatra.
- 38 Ary ny famantarana nifaneken’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan’ afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
- 39 Ary nirona tamin’ ny ady ny lehilahy amin’ ny Isiraely (ny taranak’ i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin’ ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin’ ny ady voalohany;
- 40 fa raha vao niakatra avy tao amin’ ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak’ i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin’ ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
- 41 Ary raha niverina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
- 42 Dia niamboho teo anoloan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely hankany amin’ ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin’ ny tanàna koa dia novonoiny teo.
- 43 Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin’ i Gibea atsinanany.
- 44 Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
- 45 Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
- 46 Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin’ izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
- 47 Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.
- 48 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niverina indray tany amin’ ny taranak’ i Benjamina ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra, hatramin’ ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.