-
WORD Research this...Leviticus 11
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
- 2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin’ ny biby rehetra ambonin’ ny tany:
- 3 Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
- 4 Kanefa amin’ izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
- 5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
- 6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
- 7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
- 8 Ny henan’ ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
- 9 Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, no ho fihinanareo;
- 10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, na amin’ izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ ny zava-manan’ aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
- 11 eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
- 12 Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
- 13 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
- 14 ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
- 15 ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
- 16 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
- 17 ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
- 18 ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
- 19 sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
- 20 Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
- 21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin’ ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin’ ny faladiany hitsipihany eo amin’ ny tany.
- 22 Amin’ ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
- 23 Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
- 24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 26 Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
- 27 Ary izay rehetra mandeha amin’ ny faladiany, amin’ ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
- 28 Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan’ ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
- 29 Ary izao no haloto aminareo amin’ ny biby izay mandady na mikisaka amin’ ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
- 30 ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
- 31 Ireo no maloto aminareo amin’ ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin’ ireo dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- 32 Ary izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy vao hadio.
- 33 Ary ny amin’ ny vilany tany rehetra izay ilatsahan’ ny fatin’ ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
- 34 Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin’ ny fanaka inona na tamin’ ny fanaka inona.
- 35 Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
- 36 Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
- 37 Ary raha misy fatin’ ireo latsaka amin’ ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
- 38 Fa raha misy voan-javatra nalona tamin’ ny rano ka ilatsahan’ ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
- 39 Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izay mikasika ny fatiny.
- 40 Ary izay mihinana amin’ ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan’ ny andro
- 41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
- 42 Izay rehetra mandady amin’ ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
- 43 Aza mametaveta ny tenanareo amin’ izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
- 44 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’ izay zavatra mandady na mikisaka amin’ ny tany.
- 45 Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho.
- 46 Izany no lalàna ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan’ aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany,
- 47 mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.