-
WORD Research this...Leviticus 14
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Izao no lalàna ny amin’ ny boka amin’ ny andro fanavotana azy: ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
- 3 dia hivoaka eny ivelan’ ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin’ ny habokany ny boka,
- 4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain’ ny mpisorona ho an’ ilay hodiovina;
- 5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha;
- 6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ ny vorona velona eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina teo ambonin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha.
- 7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
- 8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin’ ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ ny lainy hafitoana.
- 9 Ary amin’ ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ ny rano, dia hadio izy.
- 10 Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka zanak’ ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak’ ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
- 11 Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
- 12 dia haka ny zanak’ ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin’ ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
- 13 Ary hamono ny zanak’ ondrilahy eo amin’ ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin’ ny fitoerana masìna; fa ho an’ ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masìna dia masìna izany.
- 14 Dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
- 15 ary ny diloilo iray loga dia hangalan’ ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
- 16 dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin’ ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah.
- 17 ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan’ ny mpisorona ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
- 18 ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona.
- 19 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina hahafahany amin’ ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
- 20 ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin’ ny alitara ka hanao fanavotana ho an’ ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
- 21 Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak’ ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
- 22 ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
- 23 Dia ho eniny any amin’ ny mpisorona ireo amin’ ny andro fahavalon’ ny fanadiovana azy, ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah.
- 24 Dia horaisin’ ny mpisorona ny zanak’ ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
- 25 Dia hovonoina ny zanak’ ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
- 26 ary hangalan’ ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
- 27 dia hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah;
- 28 dia hotentenan’ ny mpisorona amin’ ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
- 29 ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
- 30 Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
- 31 dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin’ ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina eo anatrehan’ i Jehovah.
- 32 Izany no lalàna ny amin’ ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
- 33 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
- 34 Rehefa tonga any amin’ ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin’ ny tany fanananareo,
- 35 dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin’ ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin’ ny tranoko.
- 36 Dia hasain’ ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan’ ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
- 37 ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin’ ny rindrin’ ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin’ ny rindrin-trano no fijeriny azy,
- 38 dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
- 39 Ary hiverina ny mpisorona amin’ ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin’ ny rindrin’ ny trano izy,
- 40 dia hasain’ ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin’ izay fitoerana maloto eo ivelan’ ny tanàna;
- 41 dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian’ ny olona amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
- 42 Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
- 43 Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin’ ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
- 44 ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin’ ny trano izany, ka dia maloto izy.
- 45 Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
- 46 Ary izay miditra ao amin’ izany trano izany amin’ ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro;
- 47 ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
- 48 Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
- 49 Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
- 50 Dia hovonoiny eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha ny vorona anankiray;
- 51 dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina sy eo amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
- 52 Dia hanadio ny trano amin’ ny ran’ ny vorona izy sy amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha sy amin’ ny vorona velona sy amin’ ny hazo sedera sy amin’ ny hysopa ary amin’ ny jaky.
- 53 Fa hasainy ho entina eny ivelan’ ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an’ ny trano izy, ka dia hadio izany.
- 54 Izany no lalàna ny amin’ ny habokana rehetra sy ny kongonina,
- 55 ary amin’ ny habokana amin’ ny fitafiana sy amin’ ny trano,
- 56 ary ny amin’ ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
- 57 hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin’ ny habokana.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.