-
WORD Research this...Leviticus 16
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak’ i Arona, tamin’ izy nanatona teo anatrehan’ i Jehovah ka maty;
- 2 dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ ny fitoerana masìna izy; dia ao anatin’ ny efitra lamba, eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ ny rahona eo ambonin’ ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
- 3 Ary izao no ho entin’ i Arona, raha miditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy: vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
- 4 Akanjo lava masìna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masìna ireo, ka handro amin’ ny rano izy vao hiakanjo azy.
- 5 Ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
- 6 Dia hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany izy.
- 7 Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
- 8 Dia hanaovan’ i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an’ i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an’ i Azazela.
- 9 Ary hampanatonin’ i Arona ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
- 10 Fa ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’ i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’ i Azazela.
- 11 Ary hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany.
- 12 Dia haka vain’ afo eran’ ny fitondran’ afo avy amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba.
- 13 Ary hataony eo amin’ ny afo eo anatrehan’ i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin’ ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
- 14 Dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka hafafin’ ny fanondrony amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin’ ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony.
- 15 Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
- 16 Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy noho ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an’ ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan’ ny fahalotoany.
- 17 Ary aza avela hisy olona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
- 18 Dia hivoaka ho eo amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an’ ny alitara; dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ran’ ny osilahy ka hatentiny amin’ ny tandroky ny alitara eo amin’ ny zorony efatra.
- 19 Dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely.
- 20 Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
- 21 Dia hapetrak’ i Arona amin’ ny lohan’ ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin’ ny lohan’ ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
- 22 Ary ho entin’ ny osilahy ho any an-efitra ny helok’ izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
- 23 Dia hiditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy, ka hamela azy ao.
- 24 Dia handro amin’ ny rano eo amin’ izay fitoerana masìna izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an’ ny olona ka hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny olona.
- 25 Ary ny saboran’ ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
- 26 Ary ilay mandefa ny osilahy ho an’ i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
- 27 Ary ny vantotr’ ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin’ ny fitoerana masìna ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan’ ny amin’ ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
- 28 Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
- 29 Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
- 30 Fa amin’ izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’ i Jehovah ianareo
- 31 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
- 32 Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masìna.
- 33 Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy sy ho an’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ ny fiangonana.
- 34 Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin’ ny fahotany rehetra. Dia nataon’ i Arona araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.