-
WORD Research this...Mark 8
- 1 Tamin’ izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin’ i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
- 2 Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
- 3 koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
- 4 Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
- 5 Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
- 6 Dia nasainy nipetraka tamin’ ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ ny vahoaka izany.
- 7 Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan’ i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
- 8 Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
- 9 Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
- 10 Ary niaraka tamin’ izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ ny mpianany ka tonga tany amin’ ny fari-tanin’ i Dalmanota.
- 11 Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
- 12 Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
- 13 Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
- 14 Ary tsy tsaroan’ ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
- 15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny masirasiran’ i Heroda.
- 16 Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
- 17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
- 18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
- 19 Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ ny folo.
- 20 Ary raha ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
- 21 Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
- 22 Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’ i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
- 23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
- 24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
- 25 Dia napetrany tamin’ ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
- 26 Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
- 27 Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ ireny tanàna momba an’ i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?
- 28 Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin’ ny mpaminany.
- 29 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
- 30 Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin’ olona.
- 31 Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
- 32 Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
- 33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
- 34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
- 35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
- 36 Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
- 37 Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
- 38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.