-
WORD Research this...Matthew 5
- 1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
- 2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
- 3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
- 4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
- 5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.
- 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
- 7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
- 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra,
- 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.
- 10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
- 11 Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
- 12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
- 13 Hianareo no fanasin’ ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ ny olona.
- 14 Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
- 15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’ izay rehetra ao an-trano izany.
- 16 Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
- 17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
- 18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.
- 19 Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
- 20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
- 21 Efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana.
- 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo.
- 23 Ary amin’ izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
- 24 dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
- 25 Mihavàna faingana amin’ ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
- 26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
- 27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga.
- 28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
- 29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ ny helo.
- 30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ ny helo.
- 31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady.
- 32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
- 33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin’ i Jehovah ny fianiananao.
- 34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin’ ny lanitra, fa seza fiandrianan’ Andriamanitra izany;
- 35 na amin’ ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’ i Jerosalema, fa tanànan’ ny Mpanjaka lehibe izany.
- 36 Aza mianiana amin’ ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
- 37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy.
- 38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify.
- 39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
- 40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
- 41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
- 42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodìna izay te hisambotra aminao.
- 43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.
- 44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo,
- 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.
- 46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
- 47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
- 48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.