-
WORD Research this...Numbers 13
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:
- 2 Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an’ ny Zanak’ Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan’ ny fireneny avy.
- 3 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’ i Jehovah; ary samy lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
- 4 Ary izao no anarany: Avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Samoa, zanak’ i Zakora;
- 5 avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia Safata, zanak’ i Hory;
- 6 avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
- 7 avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Jigala, zanak’ i Josefa;
- 8 avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia Hosea, zanak’ i Nona;
- 9 avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Palty, zanak’ i Rafo;
- 10 avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Gadiela, zanak’ i Sody;
- 11 avy tamin’ ny firenen’ i Josefa, tamin’ ny firenen’ i Manase, dia Gady, zanak’ i Sosy;
- 12 avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Amiela, zanak’ i Gemaly;
- 13 avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Setora, zanak’ i Mikaela;
- 14 avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Naby, zanak’ i Vofsy;
- 15 avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Geoela, zanak’ i Maky.
- 16 Ireo no anaran’ ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’ i Nona, dia nataon’ i Mosesy hoe Josoa.
- 17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin’ ny tany havoana;
- 18 dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
- 19 ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
- 20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan’ ny voaloboka mialin-taona.
- 21 Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin’ i Hamata.
- 22 Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)
- 23 Dia nankany amin’ ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin’ ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
- 24 Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ ny Zanak’ Isiraely teo.
- 25 Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
- 26 Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
- 27 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
- 28 Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
- 29 Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana.
- 30 Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’ i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
- 31 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
- 32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
- 33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin’ ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.