-
WORD Research this...Numbers 14
- 1 Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin’ iny alina iny.
- 2 Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin’ ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ ity efitra ity!
- 3 Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
- 4 Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
- 5 Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ ny fivorian’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
- 6 Ary Josoa, zanak’ i Nona, sy Kaleba, zanak’ i Jefone, izay isan’ ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
- 7 ary niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
- 8 Raha sitrak’ i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’ izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
- 9 Fa aza miodina amin’ i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
- 10 Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
- 11 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
- 12 Hamely azy amin’ ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
- 13 Dia hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Dia ho ren’ ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
- 14 ary holazainy amin’ ny monina eo amin’ ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin’ ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin’ ny andri-rahona nony andro, ary amin’ ny andri-afo nony alina.
- 15 Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
- 16 Satria tsy zakan’ i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin’ ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
- 17 Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben’ ny herin’ ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
- 18 Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
- 19 Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ ity firenena ity araka ny halehiben’ ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok’ ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
- 20 Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
- 21 Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tany rehetra,
- 22 ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
- 23 dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
- 24 Fa ny amin’ i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin’ ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.
- 25 Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin’ ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena.
- 26 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
- 27 Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’ izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, izay imonomononany amiko.
- 28 Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
- 29 Etỳ amin’ ity efitra ity no hiampatramparan’ ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
- 30 dia tsy ho tonga mihitsy any amin’ ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona.
- 31 Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
- 32 Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin’ ity efitra ity ny fatinareo;
- 33 ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan’ ny valin’ ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
- 34 Araka ny isan’ ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
- 35 Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’ izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin’ ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
- 36 Ary ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin’ i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,
- 37 dia matin’ ny areti-mandringana teo anatrehan’ i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.
- 38 Fa Josoa, zanak’ i Nona, sy Kaleba, zanak’ i Jefone, kosa, izay isan’ ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.
- 39 Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.
- 40 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon’ ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah, fa efa nanota izahay.
- 41 Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin’ i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
- 42 Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
- 43 fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
- 44 Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon’ ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tsy niala teo an-toby.
- 45 Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’ izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.