-
WORD Research this...John 20
- 1 Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ ny fasana.
- 2 Dia nihazakazaka nankany amin’ i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’ i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain’ olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
- 3 Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ ny fasana.
- 4 Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’ i Petera ka tonga taloha tao amin’ ny fasana.
- 5 Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
- 6 Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
- 7 ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
- 8 Ary tamin’ izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ ny fasana, ary nahita ka nino.
- 9 Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masìna fa tsy maintsy hitsangana amin’ ny maty Jesosy.
- 10 Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
- 11 Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
- 12 ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ ilay nandrian’ ny fatin’ i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
- 13 Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
- 14 Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’ i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
- 15 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
- 16 Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
- 17 Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
- 18 Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
- 19 Ary rehefa harivan’ ilay andro voalohany amin’ ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ izay niangonan’ ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
- 20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
- 21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
- 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masìna;
- 23 na helok’ iza na helok’ iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’ iza na an’ iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
- 24 Fa Tomasy, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
- 25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
- 26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
- 27 Ary hoy Izy tamin’ i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’ tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ ny lanivoako; ary aza ho isan’ izay tsy mino, fa minoa.
- 28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
- 29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
- 30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’ i Jesosy teo imason’ ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ ity boky ity;
- 31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino ianareo.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.