-
WORD Research this...1 Corinthians 7
- 1 Ary ny amin’ ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin’ ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
- 2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
- 3 Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ ny lahy.
- 4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ ny tenany, fa ny vavy.
- 5 Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin’ izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan’ i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
- 6 Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
- 7 Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa.
- 8 Fa hoy izaho amin’ ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.
- 9 Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.
- 10 Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ ny lahy ny vavy,
- 11 (nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin’ ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ ny vavy.
- 12 Fa amin’ ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
- 13 Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy.
- 14 Fa ny lahy tsy mino dia efa masìna ao amin’ ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masìna ao amin’ ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masìna izy.
- 15 Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’ izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ ny fihavanana.
- 16 Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?
- 17 Kanefa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen’ ny Tompo azy sy araka ny niantsoan’ Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin’ ny fiangonana rehetra.
- 18 Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana.
- 19 Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny didin’ Andriamanitra no izy.
- 20 Aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo amin’ izay toetra efa niantsoana azy ihany.
- 21 Nantsoina va ianao raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao, aleo izany.
- 22 Fa ny andevo izay voantso ao amin’ ny Tompo dia olona afaka an’ ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voantso dia mpanompon’ i Kristy.
- 23 Fa olom-boavidy ianareo, ka aza mety ho andevon’ olona.
- 24 Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin’ Andriamanitra ao amin’ izay niantsoana azy avy.
- 25 Fa ny amin’ ny virijina dia tsy manana didy avy amin’ ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran’ ny Tompo ahy ho mahatoky.
- 26 Koa izao no ataoko fa tsara amin’ ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany.
- 27 Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
- 28 Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin’ ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.
- 29 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’ izao sisa izao;
- 30 ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
- 31 ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon’ izao fiainana izao.
- 32 Fa tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an’ ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
- 33 Fa izay manam-bady kosa miahy ny an’ izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
- 34 Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an’ ny Tompo, mba ho samy masìna avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an’ izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
- 35 Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin’ ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin’ ny Tompo, ka tsy hivezivezen’ ny sainareo.
- 36 Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian’ ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy.
- 37 Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zananivavy virijina, dia hanao tsara izy.
- 38 Ka izay manome ny zanany virijina hampakarina dia manao tsara, ary izay tsy manome azy hampakarina no manao tsaratsara kokoa.
- 39 Ny vavy voafehin’ ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ ny Tompo ihany.
- 40 Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’ Andriamanitra.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.