-
WORD Research this...2 Chronicles 25
- 1 Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
- 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin’ ny fony rehetra.
- 3 Ary nony tafapetraka tsara tamin’ ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
- 4 Nefa ny zanak’ ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna, dia ao amin’ ny bokin’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy, fa samy ho faty amin’ ny fahotany avy ny olona.
- 5 Ary novorin’ i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
- 6 Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
- 7 Nefa nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ ny Isiraely; fa tsy omban’ i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
- 8 Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ ny ady; fa hataon’ Andriamanitra lavo eo anoloan’ ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
- 9 Fa hoy Amazia tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin’ ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
- 10 Dia navahan’ i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ ireo tamin’ ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
- 11 Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin’ ny taranak’ i Seïra izy.
- 12 Ary ny iray alina sisa nataon’ ny taranak’ i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon’ ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
- 13 Fa ireo miaramila izay nampodin’ i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’ ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
- 14 Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’ i Seïra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
- 15 Dia nirehitra tamin’ Amazia ny fahatezeran’ i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ ny tananao aza?
- 16 Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
- 17 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
- 18 Fa Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
- 19 Lazainao fa namely an’ i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
- 20 Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin’ Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
- 21 Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an’ i Joda.
- 22 Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
- 23 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
- 24 Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ Andriamanitra tao amin’ i Obed-edoma sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
- 25 Ary ny andro niainan’ i Amazia zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
- 26 Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely va izany?
- 27 Ary hatramin’ ny andro nihemoran’ i Amazia tsy nanaraka an’ i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
- 28 Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ ny Joda.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.