-
WORD Research this...2 Chronicles 32
- 1 Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
- 2 Ary nony hitan’ i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an’ i Jerosalema,
- 3 dia niara-nihevitra tamin’ ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ ny loharano eny ivelan’ ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
- 4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan’ ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan’ i Asyria, raha avy?
- 5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin’ ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an’ i Milo tao an-tanànan’ i Davida sady nanao lefona aman’ ampinga betsaka izy.
- 6 Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
- 7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’ i Asyria sy ny hamaroan’ ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
- 8 Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin’ ny tenin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ny olona.
- 9 Rehefa afaka izany, dia nirahin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an’ i Lakisy tamin’ izay) ho any amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ho any amin’ ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
- 10 Izao nolazain’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?
- 11 Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Syria?
- 12 Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan’ ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra?
- 13 Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ ny firenena rehetra tany amin’ ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ iny tanako?
- 14 Iza amin’ ny andriamanitr’ ireo firenena efa naringan’ ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin’ ny tanako va ny Andriamanitrareo?
- 15 Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako sy ny tanan’ ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ ny tanako?
- 16 Ary ny mpanompon’ i Sankeriba mbola niteny ratsy an’ i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
- 17 sady nanoratra taratasy hihaika an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien’ ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ny olony tamin’ ny tanako no tsy hahavonjen’ ny Andriamanitr’ i Hezekia ny olony koa amin’ ny tanako.
- 18 Dia niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan’ ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
- 19 Ary Andriamanitr’ i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny, izay asan’ tànan’ olona ihany.
- 20 Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, ka nitaraina tamin’ ny lanitra.
- 21 Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ ny mpanjakan’ i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ ny sabatra ny zanany naterany.
- 22 Toy izany no namonjen’ i Jehovah an’ i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin’ ny tànan’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, sy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin’ ny manodidina rehetra Izy.
- 23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; dia nalaza teo imason’ ny firenena rehetra izy hatramin’ izany.
- 24 Tamin’ izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana.
- 25 Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan’ ny fahatezerana izy mbamin’ ny Joda sy Jerosalema.
- 26 Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan’ ny fahatezeran’ i Jehovah ireo fahavelon’ i Hezekia.
- 27 Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin’ izay fanaka tsara rehetra,
- 28 ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran’ ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran’ ny ondry aman’ osy.
- 29 Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman’ osy ary omby betsaka, fa nomen’ Andriamanitra fananana be indrindra izy.
- 30 Ary notampenan’ io Hezekia io ny fivoahan’ ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin’ ny tany hidina mahitsy ho any andrefan’ ny Tanànan’ i Davida izany. Ary nambinina tamin’ ny asany rehetra Hezekia.
- 31 Nefa noho ny amin’ ny irak’ ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin’ ny zava-mahagaga natao teo amin’ ny tany, dia nilaozan’ Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
- 32 Ary ny tantaran’ i Hezekia sisa mbamin’ ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fahitan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, sy ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely izany.
- 33 Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny fiakarana ho any amin’ ny fasan’ ny zanak’ i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin’ ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.