-
WORD Research this...2 Chronicles 28
- 1 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tahaka an’ i Davida rainy izy,
- 2 fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ireo Bala koa.
- 3 Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin’ ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
- 4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
- 5 Koa dia natolotr’ i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
- 6 Fa Peka, zanak’ i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin’ ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ ireny an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
- 7 Ary Zikry, lehilahy mahery tamin’ ny Efraima, namono an’ i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
- 8 Ary ny Zanak’ isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
- 9 Ary nisy mpaminanin’ i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin’ ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
- 10 Ary ankehitriny ny taranak’ i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo koa?
- 11 Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin’ ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah.
- 12 Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin’ ny taranak’ i Efraima, dia Azaria, zanak’ i Johanana, sy Berekia, zanak’ i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak’ i Saloma, ary Amasa, zanak’ i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
- 13 nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’ i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan’ ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
- 14 Dia nalefan’ ny miaramila teo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
- 15 ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin’ ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin’ ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
- 16 famin’ izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
- 17 Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
- 18 Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin’ ny tany atsimo momba an’ i Joda, dia nahafaka an’ i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin’ ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.
- 19 Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin’ ny Joda ka nivadika tamin’ i Jehovah.
- 20 Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
- 21 Fa efa nalain’ i Ahaza ny zavatra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka sy ny an’ ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan’ i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
- 22 Ary tamin’ ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin’ i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
- 23 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo andriamanitr’ i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’ i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
- 24 Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah sady nanao alitara teny amin’ ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
- 25 Ary teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
- 26 Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely izany.
- 27 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ ny fasan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.