-
WORD Research this...1 Samuel 19
- 1 Ary Saoly niresaka tamin’ i Jonatana zanany sy tamin’ ny mpanompony rehetra ny amin’ izay hahafaty an’ i Davida. Fa Jonatana, zanak’ i Saoly, kosa tia dia tia an’ i Davida.
- 2 Ary Jonatana nanambara tamin’ i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin’ izay fitoerana mangingina, ka miere;
- 3 ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan’ ikaky amin’ ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
- 4 Ary Jonatana nilaza soa an’ i Davida tamin’ i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an’ i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
- 5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an’ i Davida?
- 6 Ary Saoly nihaino ny tenin’ i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
- 7 Ary Jonatana niantso an’ i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an’ i Davida ho eo amin’ i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
- 8 Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin’ ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
- 9 Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah tonga tao amin’ i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany.
- 10 Ary Saoly nihendry hamely an’ i Davida tamin’ ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin’ ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan’ i Saoly, ka ny rindrina no voan’ ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin’ iny alina iny ihany.
- 11 Ary Saoly naniraka olona hankany amin’ ny tranon’ i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin’ i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
- 12 Ary Mikala nampidina an’ i Davida tamin’ ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
- 13 Ary nalain’ i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin’ ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’ osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.
- 14 Ary nony naniraka haka an’ i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
- 15 Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an’ i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin’ ny farafara izy hovonoiko.
- 16 Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron’ ilay makarakara volon’ osy ny lohany.
- 17 Dia hoy Saoly tamin’ i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin’ i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
- 18 Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin’ i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon’ i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
- 19 Ary nisy nanambara tamin’ i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
- 20 Ary Saoly naniraka olona hisambotra an’ i Davida; ary nony hitan’ ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin’ ny irak’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy.
- 21 Ary nony nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
- 22 Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin’ ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
- 23 Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
- 24 Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’ i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan’ ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan’ ny mpaminany?
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.