-
WORD Research this...1 Samuel 26
- 1 Ary ny Zifita tonga tao amin’ i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
- 2 Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr’ i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely hanaraka azy hitady an’ i Davida any an-efitr’ i Zifa.
- 3 Ary nitoby tao amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
- 4 Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
- 5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin’ ny nitobian’ i Saoly; ary hitan’ i Davida izay nandrian’ i Saoly sy Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin’ ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
- 6 Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin’ i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
- 7 Ary tonga tao amin’ ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin’ ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin’ ny tany teo anilan’ ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
- 8 Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
- 9 Fa hoy Davida tamin’ i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin’ ny voahosotr’ i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
- 10 Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
- 11 Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan’ ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
- 12 Dia nalain’ i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan’ ny lohan’ i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon’ i Jehovah renoky ny torimaso izy.
- 13 Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan’ izy roa tonta);
- 14 ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak’ i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan’ ny mpanjaka?
- 15 Ary hoy Davida tamin’ i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin’ ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin’ ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
- 16 Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr’ i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon’ ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan’ ny lohany?
- 17 Ary fantatr’ i Saoly ny feon’ i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
- 18 Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin’ ny tanako?
- 19 Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak’ olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ ny lova nomen’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
- 20 Koa aza avela ho latsaka amin’ ny tany lavitra an’ i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
- 21 Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
- 22 Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon’ ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
- 23 Ny lehilahy izay nanoloran’ i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho.
- 24 Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan’ i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin’ ny fahoriana rehetra.
- 25 Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.