-
WORD Research this...1 Samuel 30
- 1 Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin’ ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an’ i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ ny afo;
- 2 ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
- 3 Ary Davida sy ny olony tonga tao amin’ ny tanàna, ary, indro, efa levon’ ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
- 4 Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
- 5 Ary voababo koa izy roa vavy vadin’ i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
- 6 Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’ i Jehovah Andriamaniny.
- 7 Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara mpisorona, zanak’ i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin’ i Abiatara teo amin’ i Davida ny efoda.
- 8 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
- 9 Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin’ ny renirano Besora, ary teo no nijanonan’ ny sasany.
- 10 Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
- 11 Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin’ i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
- 12 Ary nomeny ampempan’ aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan’ andro sy hateloan’ alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
- 13 Ary hoy Davida taminy: An’ iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon’ ny Amalekita anankiray, aho; ary narian’ ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
- 14 Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an’ ny Keretita sy ny an’ i Joda ary ny tany atsimo izay an’ i Kaleba ary nandoro an’ i Ziklaga tamin’ ny afo.
- 15 Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midìna ho amin’ izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’ Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan’ ny tompoko, dia hitondra anao midìna ho amin’ izany jirika izany aho.
- 16 Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran’ ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben’ ny babo rehetra izay azony tamin’ ny tanin’ ny Filistina sy ny tanin’ ny Joda.
- 17 Ary Davida namely azy tamin’ iny takariva iny ka hatramin’ ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
- 18 Dia rarak’ i Davida izay rehetra efa nobaboin’ ny Amalekita; ary dia azon’ i Davida koa ny vadiny roa.
- 19 Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin’ izay nobaboin’ ireny; izany rehetra izany dia azon’ i Davida avokoa.
- 20 Ary Davida naka ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon’ i Davida.
- 21 Ary Davida tonga teo amin’ ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin’ ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an’ i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin’ ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
- 22 Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an’ i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
- 23 Fa hoy Davida: Aza manao izany amin’ izay nomen’ i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
- 24 Koa iza no hanaiky anareo amin’ izany? Fa tahaka ny anjaran’ izay nidina hiady ihany no ho anjaran’ izay nitoetra tamin’ ny entana: hiara-misalahy izy.
- 25 Dia izany no fanao hatramin’ izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin’ ny Isiraely izany ambaraka androany.
- 26 Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an’ ny loholon’ ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin’ ny babo azo tamin’ ny fahavalon’ i Jehovah,
- 27 dia ho an’ izay ao Betela sy izay any Ramata amin’ ny tany atsimo sy ho an’ izay ao Jatira
- 28 sy ho an’ izay ao Aroera sy ho an’ izay ao Sifmota sy ho an’ izay ao Estemoa
- 29 sy ho an’ izay ao Rakala sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Jeramelita sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Kenita
- 30 sy ho an’ izay ao Horma sy ho an’ izay ao Korasana sy ho an’ izay ao Ataka
- 31 sy ho an’ izay ao Hebrona ary ho an’ izay any amin’ ny tany rehetra nandehandehanan’ i Davida sy ny olony.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.