-
WORD Research this...1 Samuel 20
- 1 Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan’ i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
- 2 Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran’ ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon’ ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
- 3 Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’ i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
- 4 Dia hoy Jonatana tamin’ i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
- 5 Ary hoy Davida tamin’ i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin’ ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin’ ny afaka ampitso harivariva.
- 6 Koa raha hitan’ ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin’ izy mianakavy rehetra isan-taona any.
- 7 Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an’ ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
- 8 Koa mamindrà fo amin’ ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken’ i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin’ ny rainao aho?
- 9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan’ ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
- 10 Dia hoy Davida tamin’ i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao?
- 11 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
- 12 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an’ i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
- 13 dia hataon’ i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin’ ny raiko anie Jehovah.
- 14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran’ i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?
- 15 Ary tsy hesorinao amin’ ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan’ i Jehovah ny fahavalon’ i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin’ ny tany.
- 16 Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin’ ny taranak’ i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon’ i Davida.
- 17 Ary Jonatana nampianiana an’ i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.
- 18 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.
- 19 Koa rehefa mby amin’ ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin’ ilay nierenao tamin’ ny andro nitrangan’ ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan’ ny vato Ezela.
- 20 Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.
- 21 Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin’ ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin’ ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.
- 22 Fa raha hoy kosa aho amin’ ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
- 23 Ary ny amin’ ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.
- 24 Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
- 25 teo amin’ ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin’ ny fipetrahana teo anilan’ ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan’ i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan’ i Davida.
- 26 Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin’ izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
- 27 Ary nony tamin’ ny andro faharoa dia ny ampitson’ ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan’ i Davida, dia hoy Saoly tamin’ i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan’ ny zanak’ i Jese hihinana omaly sy androany?
- 28 Ary Jonatana namaly an’ i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema
- 29 nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain’ ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin’ ny latabatry ny mpanjaka.
- 30 Dia nirehitra tamin’ i Jonatana ny fahatezeran’ i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak’ i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon’ ny reninao.
- 31 Fa raha mbola velona etỳ ambonin’ ny tany koa iny zanak’ i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
- 32 Ary Jonatana namaly an’ i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
- 33 Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr’ i Jonatana fa nofofoin’ ny rainy hovonoina Davida.
- 34 Dia nitsangana niala teo amin’ ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin’ ny ampitson’ ny tsinam-bolana; fa nalahelo an’ i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.
- 35 Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin’ ilay fotoana nataony tamin’ i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
- 36 Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
- 37 Ary nony efa tonga teo amin’ ilay nipetrahan’ ny zana-tsipìka nalefan’ i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin’ i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
- 38 Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin’ i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin’ ny tompony.
- 39 Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton’ izany.
- 40 Dia nomen’ i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.
- 41 Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin’ ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an’ i Davida dia mafy loatra.
- 42 Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin’ ny anaran’ i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.