-
WORD Research this...1 Samuel 12
- 1 Ary hoy Samoela tamin’ ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin’ izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
- 2 Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
- 3 Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
- 4 Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan’ olona na dia iray akory aza.
- 5 Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
- 6 Ary hoy Samoela tamin’ ny olona: Jehovah no nanendry an’ i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
- 7 Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan’ i Jehovah aho ny amin’ ny asa marina rehetra izay nataon’ i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
- 8 Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin’ i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin’ ity tany ity.
- 9 Nefa raha nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan’ i Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Hazora, sy ho eo an-tànan’ ny Filistina ary ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Moaba, ka niadian’ ireo izy.
- 10 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an’ i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
- 11 Ary Jehovah efa naniraka an’ i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
- 12 Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan’ ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
- 13 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
- 14 Enga anie ka hatahotra an’ i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
- 15 Fa raha tsy mihaino ny tenin’ i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan’ i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
- 16 Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon’ i Jehovah eto imasonareo izao:
- 17 Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an’ i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’ i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
- 18 Ary Samoela niantso an’ i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin’ izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an’ i Jehovah sy Samoela indrindra.
- 19 Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’ i Samoela: Mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrao ho an’ ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin’ ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
- 20 Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an’ i Jehovah; fa manompoa Azy amin’ ny fonareo rehetra.
- 21 Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
- 22 Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
- 23 Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
- 24 Kanefa matahora an’ i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin’ ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
- 25 Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.