-
WORD Research this...Ezekiel 34
- 1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
- 3 Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
- 4 Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
- 5 Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin’ ny bibidia rehetra.
- 6 Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin’ ny tany rehetra no ielezan’ ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
- 7 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
- 8 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan’ ny ondriko sy ny nahatongavan’ ny ondriko ho rembin’ ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
- 9 dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
- 10 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin’ ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
- 11 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
- 12 Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.
- 13 Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’ izay tsara honenana rehetra eran’ ny tany.
- 14 Eny amin’ ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin’ ny tany tsara, ary eny amin’ ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.
- 15 Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
- 16 Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ ny fitsarana.
- 17 Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin’ ny ondry aman’ osy, dia ny ady ataon’ ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
- 18 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen’ ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin’ ny tongotrareo ny sisa?
- 19 Ary ny amin’ ny ondriko, moa izay voahosihosin’ ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton’ ny tongotrareo va no hosotroiny?
- 20 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin’ ny ondry matavy amin’ ny ondry mahia.
- 21 Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany;
- 22 dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ ny ondry amin’ ny ondry namany.
- 23 Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
- 24 Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
- 25 Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
- 26 Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
- 27 Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin’ ny tànan’ izay nampanompo azy izy.
- 28 Ary tsy ho babon’ ny jentilisa na ho rembin’ ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
- 29 Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin’ ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan’ ny jentilisa intsony;
- 30 ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’ Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.
- 31 Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.